<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>212</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Velona sy mahery
 Ny tenin'Andriamanitra,
 Ka na dorana aza
 Dia tsy ho levona ;
 Ny Sekoly Alahady
 Dia mivelona aminy.

[V2]
 Sabatra rao lela
 Maranitra, manindrona,
 Mampisaraka aina
 Sy fanahy, tonona ;
 Fantany avokoa
 Ny am-po miafina.

[V3]
 Hotsaraina isika,
 Ka ilay teny velona
 No hanavaka antsika
 Ary koa hanavotra,
 Koa minoa ny teny,
 Teny fahasoavana.</lyrics>
<title>Velona sy mahery FFPM212</title>
<author>R. Rafihavanana</author>
</song>